Asam-panjakana : Karama vary masaka no raisin’ireo sefom-pokontany
Mpiasam-panjakana ny sefom-pokontany. Isaky ny fotoana tsy voafaritra anefa izy ireo no mandray ny tambin-kasasarany izay mbola kely tsy mifanaraka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana.
Namoaka ny avy tao amin’ny « fonction publique » fa nampiakarina ho 40 000 Ar ny karaman’izy ireo isam-bolana. Raha 30 000 Ar izany teo aloha dia io nampiakarina io. Etsy andaniny anefa dia kely izy io raha hampifanarahana amin’ny vidim-piainana izay tsy mitsaha-mitombo.
« Ampiharina avy hatrany ity lalàna ity vantany vao miparitaka ka ren’ireo governora sy ireo tompon’andraikitra ny amin’izany, entina hanampiana ireo sefom-pokontany ». Hoy ny ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Hoy kosa Patrick manoloana izany : « Misy amin’ireny sefom-pokontany ireny tsy manana asa ankoatran’io izy ireny ary anisan’ny tsy mampandroso ilay fokontany hiadidiany io tsy fahampian’ny enti-manana sy io karama kely io ». « Ilaina fanarenana izany lalàna vao napetraka izany fa tena miasa ireny eny anivon’ny fokontany ireny ka mitana anjara toerana lehibe ho an’ny fampandrosoana » hoy ny mpandinika fiaraha-monina iray.
Jerena kely ny asan’ny sefom-pokontany fa raha tsy misy azy ireny dia maro ny asa tsy vita ka ilaina jerena manokana izany.
Miora Raharisolo
