Ambohimanambola : Ho avy tsy ho ela ny fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna 2022
Notontosaina ny 03mai 2022 ny fivoriana niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny kaominina Ambohimanambola mikasika ny fiadiana ny amboaran’ny Ben’ny tanàna 2022. Androany no fara-fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny handray anjara amin’izany.
« Nojerana tamin’izany ny lamina eo amin’ireo lalao m isy sy ny toerana filalaovana miasa mifanandrify amin’ny lalao kaominaly. Nojerena ihany koa ireo fiaraha-miasa azo atao miaraka amin’ny mpikarakara « Tournoi ». Ary tsy adino ny fakan-kevitra sy soso-kevitra avy amin’ny mpisehatra rehetra ahafahana manatsara ny fandaminana rehetra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Ekipa dimy isaky ny fokontany no afaka mandray anjara amin’ity lalao eto Ambohimanambola ity. Aterina ao amin’ny varavarana 12 ao amin’ny kaominina ny taratasy rehetra ilaina izay misy fanamarinam-ponenana sy sary tapaka roa avy isaky ny mpilalao » hoy ny mpikarakara.
Saika mikarakara ity amboaran’ny ben’ny tanàna ity avokoa ireo kaominina eto Avaradrano. Hita ho tena mandroso tokoa ny baolina kitra eto amin’ny Distrika.
Nicole Rafalimananjara
