Antsofinondry : Olona 25 no nisitraka fampiofanana
Mpiofana 25 mirahavavy mianaka no tonga namaly ny antso tamin’ny fiofanana tao amin’ny CFPF Antsofinondry ny 13 aprily lasa teo. Hita ho navitrika tokoa ireo mpandray anjara tamin’izany.
‘Tsy maintsy mahay rehefa vita ny fiofanana. Navitrika tokoa ireo mpandray anjara tamin’izany. Mahavelom-bolo ny vokatra toy izao » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny CFPF Antsofinondry. « Tena mora azo tokoa ny fampianarana. Sahy miatrika asa avy hatrany izahay aorian’ny fiofanana. Ny hanana asa ho an’ny tena manokana no tena tanjo » hoy ireo nisitraka fiofanana.
Miara-maisa akaiky amin’ny kaominina ity ivontoerana ity noho izy manampy amin’ny fampananan’asan’ny mponina ao Sabotsy Namehana. Tsy ambakain’ny hafa tokoa rehefa mahay zavatra.
Nicole Rafalimananjara
