Côte d’Ivoire : Sitrana ilay vehivavy avy any Guinée nararin’ny Ebola
Nanambara ny manam-pahefana tao Côte d’ivoire ny talata teo fa sitrana ilay vehivavy nitondra ny tsimok’aretina Ebola rehefa miiba ny valin’ny fitiliana roa natao taminy tao anatin’ny 48 ora. Tsy atahorana hamindra ny tsimok’aretina intsony izy raha ny fanazavan’ny AFP Serge Eholié, mpitondra tenin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana ary lehiben’ny departemantan’ny areti-mifindra sy tropikaly ao amin’ny CHU Treichville, ao Abidjan.
Nahazo alàlana nivoaka ny hopitaly ny talata teo kosa ny tenany saingy mbola tsy nivoaka izany noho ny harerahana be loatra. Nametraka tetiandro 42 andro kosa izy ireo nanomboka ny talata teo ahafaha mamaritra fa afaka amin’ny Ebola i Côte d’Ivoire.
