SportTsidika

1-Nahemotra ny 02 septambra ny fitokanana ny kianjan’i Barea

Ny 29 Aogositra ho avy izao no vinavinaina fa saika hitokanana ny kianjan’i Barea Mahamasina. Ny volana Desambra 2019  lasa teo no nambombohan’ny fotodrafitr’asa ary efa vita zato isan-jato izy ankehitriny.

Tsy tontosa anefa izany fikasana ny hitokanana azy ny 29 Aogositra izany nohon’ny antony maro samy hafa, sy fisian’ny fandaminana manokana koa voatery nahemotra ny 02 Septambra izao indray izany lanonam-pitokanana amin’ny fomba ofisialy arak’izany.

Niova hendrika tanteraka ny ivelany sy ny manodidina ary ny ao anatin’izany kianja izany, ary ho afa-po tanterka ireo mpankafy fanatanjahan-tena. Ahitana seza miisa eo amin’ny 40.000 mahery eo ity kianja ity ary misy toerana manokana 46 natokana ho an’ireo olona manana fahasembanana. Tafiditra tao anatin’ny fanatsarana ihany koa ny fanavaozana ny kianja fanazaran-tena sy ny terrains annexes. Ary ny nampiavaka azy amin’ilay hendriny teo aloha dia ny fisian’ireo toeram-pisakafoanana sy hotely ahafahan’ireo atleta sy ny ekipam-pirenena mivantana avy hatrany. Tsikaritra ihany koa fa misy ny zaridaina izay manome loko vaovao ny kianja, ka ireo zava-maniry izay tena mampiavaka an’i Madagasikara no tena hasongadina amin’izany. Anisan’ireo zava-baovao ho hita sy handrafitra ity fotodrafitr’asa vaovao ity ihany koa ny fisian’ireo toerana afaka ipetrapetrahana sy hialana voly maro samy hafa.

« Anisan’ireo seho iray hampiavaka ity lanonana fitokanana amin’ny 02 septambra ity ny handraisana ny lalao fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tompon-daka ameran-tany ny baolina kitra, izay hiaonan’ny ekipa nasionaly sy ny ekipan’ny Benin manomboka amin’ny 7 ora ariva aorian’ny lanonam-pitokanana » raha ny voalazan’ireo tompon’andraikim-panjakana.

Hantenaina fa ho  tanterahina tanteraka ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana ity hetsika goavana ity ary hanaraka antsakany sy an-davany ireo toro-marika ihany koa ny mpanatrika.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire