Ambohimalaza: Tafaverina amin’ny tompony ireo omby nangalarina, mbola karohina ireo jiolahy
Omby roa no tafaverina tamin’ny tompony ny alatsinainy teo vokatry ny ezaka sy ny vela-pandrika ary ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny zandary tao amin’ny kaominina Ambohimalaza. Olon-dratsy efa nikoizana amin’ny fangalarana sy ny vaky trano ao an-toerana no nitondra ireo omby ary mbola karohin’ny zandary ao an-toerana, araka ny voalaza.
“Olon-tsotra no nampandre ny zandary mahakasika ny fisian’ny olona mampiahiahy mihaodihaody teo amin’ny fokontany Antentona Ambohimalaza. Nisy taorian’izay ny fampandrenesana ny ben’ny tanàna tao an-toerana ka nisy fiaraha-mientana tamin’ny fanatanterahana ny firotsahana an-tsehatra» hoy ny avy amin’ny zandarimaria ao an-toerana.
« Omby roa no fantratra fa lasan’ireo olo-dratsy ka nahetsika avy hatrany ny andrimasom-pokonolona. Ary nametrahana olona ireo kizo manodidina. Vokatr’izany dia vaky nandositra ireo olon-dratsy ka navelan’izy ireo ny omby nangalariny » hoy hatrany ny fanazavana.
Mbola mitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Etsy ankilany, efa nampandre ireo fokontany manodidina izy ireo ary manentana ny mponina ho mailo hatrany manolona ny tsy fandriam-pahalemana izao.
Manitra R.
