MT 180s: I Francine Ramahavalisoa no hisolo tena an’ny Madagasikara any Rabat
Dépêche 24 mai, 14h, Norombahin’i Famenontsoa Francine Ramahavalisoa ny toerana voalohany tamin’ny Ma these en 180s. Nitondra ny lohahevitra hoe « Paramètres génétiques et environnementaux influençant la propagation et la croissance initiale de Tsiperifery en vue de sa domestication » ny famelabelaran-kevitra nentiny. Ho tohin’izany dia hiatrika ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany any Rabat (Maroc) indray ny tenany ny volana oktobra ho avy izao. Niisa 19 ireo voafidy hiatrika ny fifaninana tamin’ity andiany faha 5 ity ary samy nanana solontena avokoa ireo Oniversite enina manerana ny Nosy.
