ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Olona miisa 3 voarohirohy mitrandraka hazo amin’ny faritra arovana Mikea

Olona miisa 3 be izao no voarohirohy ho mitrandraka ireo hazo ao anatin’ny faritra arovana Mikea ao Atsimo Andrefana. Ity toerana ity izay lasa faritrta arovana noho ny fisian’ireo zava-manan’aina tsy hita raha tsy eto Madagasikara miaina ao, ao ihany koa ireo olona izay monina ao anatin’io faritra io. Tratran’ireo mpiaron ny ala ireo olona telo ireo ka efa hatao ny famotorana azy ireo amin’izao fotoana izao.

« Manao ny asa rehetra ho fiarovana ny tontolo iainana ny Ministeran’ny tontolo iainana ka tsy maintsy misy ny fisafoana ny ala matetika. Tratra nitondra ireto hazo tsy ara-dalana ireto ireo olona telo ireo teny amin’ny lalam-pirenena fahasivy. Araka izany dia nogiazana ireo hazo ireo ka hatolotra ny fitsarana ireto olona tratra », hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ao Atsimo Andrefana.

Ny tontolo iainana irery ihany no hany afaka hanampy ny olombelona amin’ny fahasalamana sy ny fisakafoanana. Antoka ireo hiainana izy io ka tokony ho ady lehibe ny fiarovana azy. « Mambotry firenena sady mamono ny olona mitovy aminy ihany ireo mpitrandraka hazo tsy ara-dalana ireo. Tokony ho faizina ary tokobny samy handray andraikitra ny tsirairay », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana.

Ankoatra izany dia fiara mpitatitra arina fandrehitra tsy ara-dalana iray koa no tratra teny amin’ny lalam-pirenena faha 9. Arina fandrehitra miisa 260 gony no tra-tehaka tamin’izany. Samy manana adidy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana iombonana ny rehetra. Araka izany dia manana zo ny hitoroka raha mahita tranga na fitrandraha tsy ara-dalana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire