SocialTsidika

Ady amin’ny herisetra : Faritra mena amin’ny fanolanana ny eto Madagasikara

Miha-mirongatra hatrany ny trangana herisetra ara-nofo sy ny fanolanana eto Madagasikara. Tsy mifidy sokajin-taona intsony izany tato ho ato fa na zaza mbola herin-taona mahery hatramin’ny vevivahy antitra efa samy niharan’izany avokoa.

Manodidina ny 2 573 izany tranga izany nanomboka ny taona 2019 hatramin’izao volana okobra ny taona 2021 izao raha ny tarehimarika navaokn’ireo ivon-toerana misahana ny fanadihadihana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy. Ankoatra izany ireo tranga any amin’ny faritra sy ireo nanaovan’ny fianakavian’ny niaram-boina fifampirahahana.

Efa mby an-koditra fa tsy loza manambana intsony ny fanolanana eto Madagasikara, saingy mbola tsy misy ihany ny fampiharana ny lalàna manoloana. « Entanina ny fanjakana ho hentitra amin’ny fampiarana ny lalàna manoloana ny fiparitahan’ireo horonan-tsary mamoafady sy ny fivarotana izany » hoy i Rakotomalala Armand, mpanabe. « Miteraka fikorontanan-tsaina ary ahiana hanimba ny ho avin’ireo niharam-boina mihitsy ny fanolanana nitranga taminy. Misy akony maharitra eo amin’ny fihetseam-po sy ny fisainana mihitsy ny fanolanana fa tsy mijnaona fotsiny eo amin’ny fahsimban’ny vatana » hoy Razakamanana Andry. « Asa anterivozona dimy hatramin’ny roapolo taona no miandry ireo olona nanolana zaza tsy ampy taona. Tsy ireo mpanolana ihany no enjehin’ny lalàna fa ireo olona niray tsikombakomba taminy na ireo olona nahita tranga fanolanana saingy tsy nandray ny andrakitra sahazy azy, sazy mihatra iray volana hatramin’ny telo taona no mety hahazo izany olona izany » hoy i Johary, mpahay lalàna.

« Ny volana desambra taona 2019 no nanadaniana ireo lalàna mifototra amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy saingy tsy mbola nisy ny didim-panjakana fampiarana. Ireo sazy no tokony hampiarina mandrampisian’ny didim-panjakana » hoy i Johasy Raharisoa Eléonore, solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’ny Vangaindrano. Anisan’ireo antony mbola mampirongatra izao tranga izao ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto amin’ny firenena. Eo ihany koa ny tsy fandraisana andraikitr’ireo hery velona rehetra manoloana izao loza mihatra amin’ny zaza tsy ampy taona sy ny vehivavy izao.

Raikely, iray tampo, olona ao anatin’ny fianakaviana ihany no mahavanon-doza, tsy misy hasiny intsony ny maha olona, eny fa ny rà hitambarana aza vokatry ny filan-dratsin’ny lehilahy tsy mataho-tody.

Tsy ekena ny fanolanana na inona na inona mety ho anton’izany, ary na iza na iza no mety loharano nitsirihan’ny herisetra. Ny toe-tsain’ny Malagasy ankehitriny no mahantra fa tsy ny firenena velively. Tsy azo antenaina ny hisian’ny fivoarana raha toa ka mbola mitohy hatrany ny fandripahana ny mpiray tanindrazana amin’ny fampiarana ireo herisetra sy ny fampanjakana ny tsy fandriam-pahalemana. Ho ambakan’ireo biby tsy manan-tsaina nefa tsy manao fihetsika feno habibiana amin’ny namany ve isika olombelona ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire