SocialTatitra

Etats-Unis : Raim-pianakaviana iray voaheloka higadra mandrapahafatiny noho ny famonoana olona tsy an-tsitrapo

Raim-pianakaviana iray no voaheloka ho namono olona tany Amerique. Taorian’ny tontolo andro nifanakalozan-kevitra, dia namoaka ny didim-pitsarana ireo mpitsara 12 nandray an-tanana ny raharaha. Notsaraina ity raim-pianakaviana ity noho ny heloka famonoana mpianatra nataon’ny zanany lahy,, tao amin’ny lycée tany Michigan (avaratr’i Etazonia). Voaheloka tamin’ny famonoana olona izay ihany koa ny renin’ity zazalahy ity. Hanenjehana ireto ray aman-dreny ireto ny heloha noho ny famonoana olona tsy mivantana, noho ny tsy fandraisana andraikitra tamin’ny zanany ity. Sazy 15 taona no azon’izy ireo manoloana izany.

Nandritra ny famotorana azy, nilaza ity renim-pianakaviana ity fa nitondra « pistolet Sig Sauer calibre 9mm » ity raim-pianakaviana ity, ho atao fanomezana ho an’ny noely, ho an’ity zanany, andro vitsy mialohan’ny loza. Ary nanao fotoana fa handeha ho any amin’ny « stand de tir » ny ampitso. Ny andro nisehoan’ny loza, nampiantsoana tany an-tsekoly ireto ray aman-drenin’ireto noho ny fahitana sary hafahafa tamin’ny latabatr’ity zazalahy 15 taona ity ary nasaina nanaraka fitsaboana ara-tsaina izy tamin’izany. mpianatra efatra, vavy roa sy lahy roa no notifirin’ity zazalahy ity tamin’ny basy ary enina hafa naratra mafy. Nahitana bala 50 isa ihany koa tao anaty kitapony.

Laisser un commentaire