ActualitésTatitra

Etats-Unis : Iza moa i Samuel Reshevsky ?

Teraka ny 26 novambra 1911 tao Ozorków, Pologne i Samuel Reshevsky ary maty ny 4 aprily 1992 tao New York. Mpilalao « jeu d’échecs » tena nahay izy ary mpanao gazety « échiquéen » amerikanina terantany jiosy poloney.

Anisan’ireo zaza sangany tamin’ny « échecs » (enfant prodige) i Samuel Reshevsky. Anisan’ireo mpilalao nahay indrindra tao Amérique sy eran’izao tontolo izao izy tany teo anelanelan’ny taona 1930 sy 1970. Efa nitondra ny anaram-boninahitra « grand maître international » ihany koa ny tenany.

Nanomboka tao Etats-unis ny lazan’i Samuel Reshevsky teo amin’ny tontolon’ny « échec ». Nandresy tamin’ny « championnat open national » tao Tulsa izy ny taona 1931, faharoa tamin’ny « Reuben Fine » tamin’ny taona 1932 sy 1933 ary « premier ex æquo » tao Chicago tamin’ny taona 1934.

Laisser un commentaire