Ady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana : Fivoriana teo amin’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Syndika ny Indostria eto Madagasikara (SIM)
Hisy fiantraikany eny amin’ny vahoaka miaina ny fiakaran’ny vidim-piainana ve ny dinika natao ?
Telo andro tao aorian’ny toromarika nomen’ny Prezida momba ny fepetra raisina manoloana ny fiakaran’ny vidin’entana. Nanatanteraka fivoriana niaraka tamin’ny Sindikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) ny avy eo amin’ny Ministera ny Indostria sy ny Varotra ny Alarobia 11 Aogositra 2021.Ny fandrindrana ny vidin’entana ilaina andavanandro ary ny fiaraha-mientana eo amin’ny fanjakana sy ny mpandraharaha eo anivon’ny sehatra tsy miankina no tena nibahana tao anatin’izany hoy ny SIM tao anatin’ny fanambarana izay nataony.Tanjona amin’izany fifampidinihana natao izany ny hijerena ny marimaritr’iraisana hametrahana paikady mahomby hanenana ny vidin’entana. Raha ny fanehoan-kevitry i Telina : « Efa nisy foana ny fifampidinihana natao hatramin’izay fa ny vahaolana hampidina ny vidin’entana no tena tadiavinay ». Mandra- piandry ny fanapahan-kevitra iarahana amin’ireo mpamokatra indostrialy eto an-toerana, ny Ministeran’ny indostria sy ny varotra sy ny State Procurement of Madagascar (SPM) dia efa nanafatra vary 21 000 taonina, mikasa ihany ko aizy ireo ny hanafatra vary sy lafarinina manomboka ny volana Oktobra hoavy io. Hatreto mbola tsy nahitana fidinana kosa etsy andaniny ireo vidin’entana andavanandro raha ny hita eny tsena sy eny amin’ny fiaraha-monina amin’izao fotoana izao.
Sitraka Rajaonarivony
