ActualitésTsidika

Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena : Nohavaozina ny modely FEFFI

Notontosaina ny Talata 10 Aogositra 2021 ny fifampizarana sy fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fametrahana modely Farimbon’Ezaka ho Fahombiazan’ny Fanabeazana eny Ifotony na FEFFI tokana sy voarindra eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Nanatrika ny fivoriana ireo Tale sy teknisianina eo anivon’ny Ministera ary notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Ny fitaovan-tserarsera fampitain-davitra na « visioconférence » no nifandraisana tamin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny tetikasa. Tanjona amin’izao fifampidinihana izao ny hanehoana sy hanazavana amin’ireo mpisehatra ireo ny fanatsarana sy ny fanavaozana eo amin’ny fomba fitantanana ny sekoly eny ifotony. Novoizina ny fametrahana fitantanana madio sy mangarahara ary ny mampandray anjara ny eny ifotony ireo : mpampianatra, ray aman-dreny, mpianatra, fiaraha-monina, fikambanana, vondron’olona eny ifotony.

Nahaliana ireo mpandray anjara rehetra ity modely FEFFI tokana ity, nandritra izany no nifanomezan’ireo mpandray anjara rehetra soso-kevitra izay nankatoavin’ny rehetra.Manomboka eto dia hamolavola ny tetiandro entina mametraka ity modely FEFFI ity ny Ministera sy ireo mpiara-miombona antoka mba hahafahana miroso amin’ny fanatsarana. Ary hanentanana ireo mpisehatra rehetra eny ifotony ho samy tompon’andraikitra amin’ny fandrosoan’ny fanabeazana eny amin’ny sekoly. Mankasitraka amin’ny asa fanatsarana ireo mpampianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana.Mangataka kosa izy ireo ny hamoahana ireo subvention sy vacation mbola tsy nivoaka mba hampahavitrika ireo mpampianatra hanatanteraka ny asany.Araka ny fanehoan-kevitry i Rado,Talen’ny sekoly tsy miankina iray : « Ny tena tokony imasoan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena dia ny fandrafetana ny programa-pampianarana isan-taranja sy ny « répartition », ny fanaparitahana ireo boky hoan’ny sekoly rehetra fa tsy ny an’ny sekolim-panjakana ».

Raha tiana handroso ny fampianarana eto Madagasikara dia tokony omena fanohanana avokoa ireo mpampianatra rehetra eny amin’ny sekoly rehetra ka tsy asiana fanavahana.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire