ActualitésTsidika

Kraoma S.A : Lasa aiza ny karaman’ireo mpiasa ?

Mbola mitokona hatrany ny orinasa Kraomita Malagasy hatramin’izao. Tsy mamaly ny fitakian’izy ny fitondram-panjakana sy ny Ministera miahy azy ireo.

Roa taona izay no lasa, tsy mbola nivaly foana ny fitakian’ireo mpiasa eo anivon’ny Kraoma tamin’ny fitondram-panjakana izay fangatahan’izy ireo ny tambikarama nandritran’ny roa ambin’ny folo volana tsy mbola voarain’izy ireo. Raha araka ny tatitra voarain’izy ireo, ny orinasa rosianina izay miara-miasa amin’izy ireo no mandoa ny karaman’izy ireo, hatramin’izao anefa tsy mbola nisy ny fandoavana izany.

« Mpiasa raikitra roa amby telopolo no voatery noroahina tamin’ny asany. Tsy nisy ny procedures narahina fa avy hatrany dia noroahina maina fotsiny izy ireo. Fanitsakitsahana ny zon’ny mpiasa mihitsy izao » hoy ny fanambarana nataon’ny zanaka mpiasa iray miasa ao amin’ny orinasa. « Tena mamono ankolaka ny orinasa. Mahatsapa ho tsy misy filoham-pirenena izahay, miaina ao ambany fanagejan’ny mpanararaom-pahefana sy mpanjanaka izahay » hoy ny fitarainan’ny mpiasa izay anisan’ny mitaky tsy tapaka ny zony. « Hanao ahoana ny ho fiafaran’ireo harena ankibon-tany eto Madagasikara raha toy izao daholo ny zava-misy eto amin’ny firenena. Atao fitaovana fotsiny izany ny vahoaka amin’ny fampandehanan’ny raharaha dia avy eo avela eo. Izao no mampahantra ny firenena, ny any ivelany foana no fahanana fa ny ato anatiny fahanana lainga » raha toy izay kosa ny fahitan’i Zo, mpianatra siantifika, ny toe-draharaha.

Etsy an-daniny, manararaotra ny mpanohitra milaza ny fanehoan-kevin’izy ireo amin’ity toe-draharaha ity : « Porofo izao fa tsy miraharaha ny vahoaka Malagasy ny mpitondra satria raha ny fantatra dia olona tena akaikin’ny Filoha tanteraka ny tale jeneralin’ny Kraoma, tokony ho ren’ny Filoha izany ny fitakian’ireto mpiasa ireto fa odiany tsy re tsotr’izao. Sao tokony hametra-pialana raha tsy mahafehy ny asa, mijaly ny vahoaka. Very asa, tsy mihinan-kanina. Ny vidim-piainana nefa mihamiakatra andro aman’alina ».

Efa maro ny dingana sy soso-kevitra natao sy naroson’ireo mpiasa ambony ao amin’ny orinasa fa kosa tsy nahitam-bokany izany, toy ny tsy misy mihaino izy ireo. Raha ny fotoana lanin’ireo mpiasa tamin’ny fitokonana sy fifanantonana, efa tokony nisy ny vahaolana raha tena mijery sy mihaino ny tarainan’ny vahoaka araka ny filazany ny fanjakana. Tsy misy aloha izany fihainoana izany raha ity mahazo ny orinasa Kraoma ity no jerena. Aiza ho aiza ny avy ao amin’ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany amin’izao tranga izao?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire