Fanabeazana: Voarara ny fampidirana mpampianatra Fram
Mampatsiahy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa voarara ny fampidirana mpampianatra vaovao. Tokony hampifanaraka ny isan’ny mpampianatra misy ao aminy ireo sekolim-panjakana. Voarara tanteraka araka izany ny fampidirana mpampianatra tsy mpiasam-panjakana, na mpilatsaka an-tsitrapo.
« Tanjona amin’izany hahafehezana ny fitantanana ny isan’ny mpampianatra ka noho izany voarara tanteraka ny fampidirana mpampianatra eny amin’ny sekolim-panjakana manerana ny Nosy » araka ny taratasy fanamarihana navoakan’ny ministera. Mba hisorohana ny fampidirana mpiasa, nanambara ihany koa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa tsy azo atao ny manokatra sekolim-piaraha-monina. Tsy hisy mihitsy ny tsy fahampian’ny isan’ny mpampianatra manerana an’i Madagasikara raha toa ka manaja ny ora fiasan’izy ireo isan-kerinandro ireo mpampianatra rehetra. Ny Tala misahana ny fanaraha-maso ny fampianarana, Roger Rakotoniaina dia manolotra taratasy hamenoana ny isan’ny ora fampianaran’ny mpampianatra iray.
« Mpampianatra iray ohatra no miasa adin’ny 10 ora ao amin’ny sekolim-panjakana iray, ary afaka mameno ny adin’ny 20 ora ao amin’ny sekolim-panjakana iray hafa izy. Manana alalana hamoaka fanambarana mahakasika ny fahafahan’ny mpampianatra iray mameno ny ora iasany any amin’ny sekolim-panjakana hafa ny fari-piadidiam-pampianarana na ny “circonscription scolaire” (Cisco) » hoy hatrany ny tale misahana ny fanaraha-maso ny fampianarana. Miovaova ny faharetan’izany fampianarana izany araka ny mari-pahaizan’ny mpampianatra: eo anelanelan’ny 20 ora hatramin’ny 24 ora ny faharetan’izany. Efa nanomboka ny taona 2014 no nanombohan’izany fandrarana ny fampidirana mpampianatra Fram. Na eo aza ireo toromarika napetraka, mbola manohy amin’ny fampidirana mpampianatra Fram ihany ny sekolim-panjakana sasan-tsasany. Manamafy hatrany i Roger Rakotoniaina fa hisy ny fandehanana eny amin’ireo sekolim-panjakana hijerevana sy hanarahana maso fa tena manaja ny toromarika napetraky ny ministera ve ireo mpitantana eny anivon’ny sekolim-panjakana.
« Izaho izao mpampianatra nanao “bénévolat” nandritra ny 2 taona, dia manantena aho fa ho tafiditra mpiasam-panjakana amin’ity taona ity. Tsy aiko anefa na ho tafiditra aho raha izany didy navoakan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena izany » hoy i Sandrine, mpampianatra eny amin’ny EPP iray. Tsy misedra olana amin’ny tsy fahampian’ny mpampianatra ireo sekolim-panjakana aty an-dRenivohitra sy eny amin’ny distrika. Ny mifanohitra amin’izay anefa no miseho any ambanivohitra, tsy mety hiasa any izy ireo noho ny tsy fandriam-pahalemana manjaka any ambanivohitra ka lasa mitana kilasy maromaro ny mpampianatra iray.
Sitraka Rajaonarivony
