ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Hisy ny hetsika fitadiavam-bola entina hananganana ny biraom-pokontany vaovao

Hanao hetsika fitadiavam-bola entina hananganana ny biraom-pokontany vaovao, ao amin’ny fokontany Andranovelona, kaominina Ankadikely Ilafy ireo tomponandraikitra ao an-toerana. “Déjeuner dansant” na fiaraha-misakafo izay atao ao amin’ny Lambert fialamboly no hotanterahina ao anatin’izany, raha ny voalaza.

“Ny 28 janoary 2023 no hanatanterahana ny hetsika izay entina hanamboarana ny biraon’ny fokontany vaovao eto an-toerana. Izany moa dia eo ambay fiahian’ny ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy. Misy karazany telo ireo tapak’ila izay ampiasaina mandritra io fotoana io dia 100.000ar, 60.000ar ary 10.000ar” hoy ireo tomponandraikitra.

“Tsy vitan’olo-tokana ny asa fampandrosoana amin’ny sehatra iray. Anisan’ny manampy tokoa ny fikarakarana hetsika tahaka izao, izay hanasana ireo manana fahefana ho amin’izany amin’ny fandraisana anjara isan-karazany satria ho an’ny tombotsoa iombonana izany” hoy I Tefy, mpandraharaha.

Adidy ho an’ny tombotsoa iombonana ny fandraisana anjara amin’ny hetsika tahaka izao no sady ho an’ny fampandrosoana ihany koa. Azo atao ihany koa anefa ny mandoa tombony raha misy ny tsy fahafahana amin’izany hetsika izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire