ActualitésTsidika

Zon’olombelona : Tokony hisitraka zo feno ny olombelona tsirairay tsy ankanavaka

Samy manana zo, ary misitraka izany avokoa ny olona rehetra mbola miaina ambany lalàna. Tafiditra anatin’ny fanitsakitsahana zo ny mahakasika ny fanavakavahana ny sasany noho ny antony fahasalamana na loko na fihaviana.

Hiadivan’ny « Association Albinos Madagasikara » mihitsy ny fiarovana ny zon’ireo olona varira ireo satria heno tato ato fa voahitsakitsaka izany noho ny antony samihafa. Nanao fitsidihana teo anivon’ny Fitsarana tao amin’ny Sekretera Jeneraly, Raby Savatsarah, ireto mpikambana ireto. Niompana tamin’ny fiarovana ny zon’ireo olona tratran’ny « albinisme » manoloana ny herisetra mianjady amin’izy ireo ny resaka. « Manan-jo mitovy amin’ny zon’ny olona rehetra ry zareo varira fa ny lokom-batana no maha samihafa. Voalohany aloha dia mananjo hiaina malalaka izy ireo fa tsy tokony vosakatsakana amin’ny zavatra tsy dia misy antony loatra », hoy ity Sekretera Jeneraly ity. « Hatreto izahay dia mbola manantena foana fiarah-miasa amin’ireo olompirenena rehetra fa indrindra ny mpitondra fanjakana mba handray andraikitra amin’ny olana mianjady aminay varira, efa betsaka ny antso natao hitadiavam-bahaolana ka enga anie hisy vokany », hoy ny mpitarika ity fikambanana ity.

Tsy eto Madagasikara irery fa maneran-tany dia ahitana ny olona tratran’ity « albinisme » ity. Maro ny olana mianjady amin’ireo Malagasy tratran’ny albinisme, saingy tsy dia faheno loatra ny any amin’ireo firenen-kafa, ka izay indrindra no mampametram-panontaniana hoe « inona tokoa ny anton’izany ? », « Iza no tena tompon’andraikitra amin’izany toe-javatra izany ? »

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire