Tsidika

Minisiteran’ny fahasalam-bahoaka: Hasitraka foiben-toerana natao handraisana antso ny sampan-draharaha vonjy taitra

Ho fanatsarana ny fandraisanana an-tanana ny asan’ny vonjy taitra dia hanokafana foiben-toerana natao handraisana antso ny sampan-draharaha vonjy taitra. Hisokatra sy hanomboka hiasa tsy ho ela ity sampan-draharaha ity raha ny fanazavana avy amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.

Ity foibe toerana ity dia natao iandraikitra ny fandraisana ireo antso maika mikasika ny fahasalamana ary hanomezan toro-hevitra ara-medikaly ho an’ireo izay mila izany. « Paikady iray ahafahana manome baiko na koa manampy ireo olona izay trà-doza kanefa lavitry ny tobim-pahasalamana izy ity ary afaka hanoroana azy ireo avy lavitra ny tokony ataony mandra-pahatonga eny anivon’ny hopitaly » raha ny fanampim-panazavana nomen’ny tompon’andraikitry.

 Nanambara  ny teo anivon’ny Ministera fa ny olona hiandraikitra an’ity  sampan-draharaha ity dia ireo mpiasa matihanina ao amin’ny sehatry ny fahsalamana toy ny mpitsabo, ny mpitsabo mpanampy ary ny mpampivelona.

« Mety hanavotra ain’olona maro ny tetik’asa toy ho an’ireo mila fanampiana haingana nefa lavitry ny hopitaly » hoy i Jeanne, renim-pianakaviana. Mety ho ny indro kely ho an’ireo toerana tena lavitra kosa nefa ny tsy fisian’ny « réseau » hoy izy

Miranto Andrih

Laisser un commentaire