Lalam-pirenena faha 9 : Hiverina hisokatra rahampitso ny lalana
Mitohy ny fanavaozana amin’ny alalan’ny fandrakofana tara ny fanavaozana ny ny lalam-pirenena faha-9, mandalo ao amin’ny tananan’i Bevoay eo amin’ny PK 189+900 hatreo amin’ny PK 192+380. Manolona izany dia tapaka nanomboka ny omaly 22 Jona ny ampahan-dalana ary hitohy hatramin’ny rahampitso eo anelanelan’ny amin’ny 4 ora maraina hatramin’ny 2 ora tolakandro izany.
Nanazava ny tompon’andraikitry ny asa fa ho vita soa aman-tsara ary afaka ho ampiasaina aorian’io daty voatondro io ny lalana. « Hiverina amin’ny laoniny ny fifamoivozana aorian’ny 24 Jona araka ny daty izay efa nampita tamintsika ary ialana tsiny ny amin’ny fanointoinana ny fampiasana ny lalana fa mba ho fikojakojana ny lalana sy ho fitsonjovana antsika mpampiasa lalana dia tsy maintsy nirosoana izao fanavaozana izao ».
« Efa ela izahay mpamily fiara sy mpivezivezy amin’ity lalana ity no nitaraina nohon’ny fanharatsiany izay tena mampijaly tokoa satria manimba ny fiara. Tombony ho anay ny fahavitan’izany ka antenaina mba ho foto-drafitrasa mafy sy mateza no atao » hoy ny fanehoan-kevitr’i Pascal mpamily fiara vaventy.
Raha ny fanampim-baovao dia lalam-pirenena maromaro no mety ho voakasik’ity asa fanavaozana ity. Maro amin’ireo lalam-pirenena mantsy no efa simba sy mila fanarenana.
Miranto Andrih
