ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nahazo alalana ny famarotana ny henan’akoho novokarina tao anaty « laboratoire »

Raha tsiahivina dia ny taona 2022 teo ny Start-up Upside Foods ao Californie no nahazo alalana hivarotra hena omby novokariny tao anaty « laboratoire ». Io orinasa io no orinasa voalohany nahazo alalana hivarotra izany hena namboarina na « viande articielle » izany. Amin’ny alalan’ny selam-biby kosa no hamokaran’izy ireo io hena io.

Taorian’io tranga io dia nahazo alalana nivarotra io hena namboarina io ihany koa i Singapour saingy henan’akoho no azon’izy ireo amidy. Ankehitriny dia nomen’ny minisiteran’ny fambolena sy ny FDA (agence en charge de la sécurité alimentaire) misahana ny Upside Foods sy ny Good Meat ao Etats-Unis alalana hivarotra ny henan’akoho namboarina ihany koa ireo orinasa ao amin’ny firenena. Mametraka azy ireo eo amin’ny firenena laharana faharoa mahazo mivarotra io henan’akoho namboarina io izany.

Nilaza ny talen’ny Upside Foods, Uma Valiti fa dingana iray lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampandrosoana maharitra io hena namboarina io. Nanamafy kosa ny talen’ny Eat Just, Josh Tetrick izay miara miasa amin’ny Good Meat fa mahafaly azy ny fanomezana io alalana io ho an’ity firenena matanjaka ity.

Laisser un commentaire