Anjeva: Nanatanteraka fambolen-kazo ny ben’ny tanàna sy ny sekoly iray ao an-toerana
Anisan’ny nanamarika ny andron’ny 8 martsa tao amin’ny kaominina Anjeva ny fambolen-kazo natao tao an-toerana. Niara-nientana tamin’ny fanatontosana izany ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna sy ireo mpandraharaha ary ny mpianatra tao ao amin’ny sekoly iray ao an-toerana.
» Hazo fihinam-boa, mba hiotazan’ny zanak’Anjeva any aoriana any rehefa vokatra no nambolen’ireo kilonga madinika manodidina ny tanin-jana-kazo novolen’izy ireo teo aloha » hoy ny ben’ny tanàna ao Anjeva.
» Ankoatra ny fambolena ireo hazo fihinamboa nataon’ireo mpianatra dia nisy ihany koa ny fambolena zana-kazo frêne nanamorina ny reniranon’Ivovoka. Tanjona amin’izany moa ny mba hiarovana ny renirano tsy ho ritra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro » hoy hatrany ny fanazavana.
Zava-dehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fambolen-kazo ary antoka amin’ny fampandrosoana lovain-jafy. Tsara tokoa mbola kely ny ankizy dia ampandraisina anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, hahatonga azy ho sarotiny amin’ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo izany.
Manitra R.
