ActualitésTsidika

Alasora : Hanomboka rahampitso ny seho an-tsehatra

Ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena tanteraka isika amin’izao fotoana izao. Maro ireo fety aman-danonana hiseho mandritra ity faran’ity herinandro ity, toa izany ny ao amin’ny kaominina Alasora.

“Hisantatra ny fety ao amin’ny Kianja Maitso Alasora, rahampitso sabotsy 24 jona ny Vetsom-piderana hiarahana amin’ireo mpanakanto evangelique maro toa andry tarika Ndriana Ramamonjy, Hasim-piderana, Groupe Ba ary Hoby” hoy ireo tomponandraikitra mpikarakara.

“Fotoana manan-danja ho an’ny firenena tokoa izany fiverenan’ny fahaleovan-tena izany ka mendrika hankalazaina ara-pamendrehena, arahana vavaka ho an’ny firenena. Hisaorana ireo tomponandraikitra nanolotra izany” hoy i Jean Donné, mponina ao Alasora.

Mendrika ny omena sehatra avokoa ny gadon-kira, mampiavaka sy misy eto amin’ny nosy amin’izao fety izao. Hanokatra ny fety araka izany ny Vetsom-piderena ho an’Alasora, hitohy amin’ny Fetin’ny Mozika arahana afomanga kosa izany ny alahady 25 jona ary Hira gasy goavaùm-be no hamaranana azy ny andron’ny 26 jona 2023.

Manitra R.

Laisser un commentaire