ActualitésTsidika

Jirama : Miroso amin’ny fametahana ireo kaontera « branchement mora »

Efa andro maromaro izay no tonga ireo kaontera ao anatin’ny porgraman’ny Jirama mahakasika ny « branchement mora ». Araka izany dia eaf miroso amin’ny fametahana ireny kaontera ireny eny anivon’ny tokantrano izy ireo. Ny tanjon’ity programan’asan’ny Jirama ity moa dia ny ahafahana mampisitraka hazavana ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra.

« Efa faritra manerana an’ny Antananarivo no efa misy Jirama miasa amin’izany. Kendrena ho tokantrano miisa 14 isan’andro no hahazo ity kontenera ity. Ireo izay efa nahaloa ny tatibidin’ny fampidirana branchement mora ihany anefa izany. Araka izany tsy afaka hametaka kaontera ao aminao izahay raha efa nisoratra anarana ianao kanefa mbola tsy nahaloa ilay 30 000 ariary” » hoy ny avy ao amin’ny Orinasa Jirama.

Manahy ny herinaratra tsy ho ampy ahtrany anefa ireo mponina amin’izao fotoana izao. Tsy mbola mitsahatra hatramin’izao ny fahatapahan-jiro mifandimby mampimenimenina ny vahoaka.

« Raha mbola ampiana ve ireo mpisitraka herinaratra dia tsy hanana antony hanapahana jiro indray ry zareo ao. Ny hatramin’izay aza tsy zakan’izay nisy teo mbola hampiana ihany. Sa aiza no tokony olana hovahana », hoy i Njara, mponina eny Namontana, toerana ahitana fahatapahan-jiro matetika loatra.

Kanefa monoloana izany dia mbola miandry ireo kaontera ambiny mbola tsy tong any orinasa. Tokantrano marefo miisa 250 000 mantsy no vinavinaina hisitraka ity programa ity manerana ny Nosy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire