Anjeva : Sekoly miisa 5 mendrika indrindra notolorana mari-pankasitrahana
Sekoly miisa dimy izay mendrika tao amin’ny ZAP Anjeva gara, dia ny EPP Ambohidrazana, ny EPP Manohisoa, ny EPP Ampahimasina, EPP Anjeva tanàna ary ny EPP Ankadiefajoro no nahazo ny mari-pankasitrahana tao amin’ny Zap Anjeva gara. Nanolotra izany ireo solo-tenan’ny sekoly ny ben’ny tanàna ao an-toerana niaraka tamin’ny sefon’ny distrika an’ny Tana 103.
« Isaorana ny sefo cisco Antananarivo Avaradrano tamin’ny fikarakarana sy ny fiahiana ny hetsika ka nahatontosana izany. Ny fiadidiana ny tanàna Anjeva gara dia miezaka hatrany ny amin’ny fanampiana sy fanohanana ny lafiny fanabeazana. Ary hitarina amin’ny sekoly tsy miankina ny fifanampiana » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Mamporisika ny fifaninana amin’ny fanomezana fampianarana tsara sy mendrika ny hetsika tahaka izao ka tokony tohanana sy omena lanja hatrany » hoy ny solontena avy amin’ireo mpampianatra.
Mendrika ny sekoly tokoa ny omena mari-pankasitrahana tahaka izao ho taratry ny fanomezan-danja ny fampianarana. Misy tokoa ireo sekoly no efa manao ezaka amin’ny fahatafitana ny zaza malagasy amin’ny fanabeazana ka tokony ho fitaratra ho an’ny hafa izany.
Manitra Ramanantsoa
