ActualitésTatitra

Népal : Hivoaka ny fonja ilay « tueur en série » omena ny anaram-bositra hoe « Le serpent »

Nanao fanambarana ny famotsorana an’i Charles Sobhraj, omena ny anaram-bositra hoe « Le serpent » ny fitsarana tampon’i Népal ny alarobia teo. Raha tsiahivina dia lehilahy frantsay mpamono olona, nanomo olona manodidina ny 20 tao Asie io lehilahy io tany amin’ny taona 1970 tany. 78 taona ny tenany amin’izany fotoana izay nigadra nanomboka ny taona 2003.

Efa nigadra im-betsaka tao France i Charles Sobhraj talohan’ny nanagadrana azy tao Népal. Nanomboka ny taona 1970 io mpamono olona io no niala tao France nitety izao tontolo izao ary nidagona tao Bangkok, renivohitr’i Thaïlande. Amin’ny maha « tueur en série » an’i Charles Sobhraj kosa dia nitovy avokoa ny famonoana ireo olona manodidina ny 20 ireo. Mody nalainy namana izy ireo, nangalariny ny entany sy ny fitaovany ary nokendainy, nodarohany na nodorany.

Tsy afaka manohy ny saziny intsony i Charles Sobhraj, antony hamotsorana azy raha ny fanazavan’ny fitsarana tampon’i Népal.

Laisser un commentaire