ActualitésTsidika

Filaminam-bahoaka : Misokatra ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho Polisy

Nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitam-baovao mikasika ny fisokafan’ny fifaninanana hampidirana mpianatra Polisy. Miisa 1450 ireo horaisina ao anatin’ny taom-pianarana 2021.

« Misokatra ny fifaninanana handraisana mpianatra ho polisy ho an’ireo mpiadina rehetra eto Madagasikara. Mitsinjara toy izao izany. 30 mpianatra ho commissaire, 50 mpianatra ho officier, 220 mpianatra ho inspecteur ,ary 1150 mpianatra ho agent » hoy ny tompon’andraikitra avy eo amin’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. « Fifaninanana madio no hidirana ho mpiasam-panjakana. Izay mendrika ihany no horaisina amin’izany. Tsara ihany koa atao isaky ny «ex-Chef Lieux de provinces» ny fifaninanana mba ahafahan’ny mpiadina rehetra hitovy herijika » hoy ny Filoham-pirenena, Rajoelina Andry.

Tsy tokony ho ahitana kolikoly sy risoriso noho izany ity fifaninanana ity. Izay mendrika sy ara-dalàna ihany tokoa no tokony ho afaka amin’izay miroso hatrany any amin’ny fampandrosoana isika eto Madagasikara.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire