8 Martsa 2022: Ho atao any Antsirabe ny fankalazana
04 Martsa, 08h00. Any ANTSIRABE, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra no toerana hankalazana amin’ny fomba ofisialy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy amin’ny Talata 8 Martsa 2022. Ny vadin’ny filoham-pirenena Rajoelina Mialy sy ny Minisitry ny mponina Soafilira Princia no hitarika izany. « Viavy Miavotse, miatrika sy mifanampy, taratry ny fitovian-jo, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy » no loha-hevitra hanamarihan’i Madagasikara izany ho an’ity taona 2022 ity.
