Analamanga: Mpitandro filaminana miisa 1580 no ahetsika mandritra ny fetin’ny paka
Dépêche 07 avril, 13h, Laharam-pahamehana ny aro loza sy ny fandriam-pahalemana mandritra ny fetin’ny paka. Izany indirndra no antony hanetsehana ireo mpitandro filaminana aman’arivony ireo hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Mitsinjara ho amin’ny toerana sy asa samihafa ireo mpitandro filaminana miisa 1580 ireo. Isaky ny Distrika ihany koa dia hisy hatrany ireo polisy hapetraka. Ho an’Avaradrano manokana dia 152 ireo polisy haetsika. 175 kosa ireo polisy haetsika ho an’Atsimondrano. Ho an’i Manjakandriana kosa dia miisa 35 ireo mpitandro ny filaminana hiasa mandritry ny fety, Alahady sy Alatsinainin’ny Paska.
