Paka Antananarivo : Hisokatra ho an’ny daholobe ny zaridainan’Anosy sy Ambohijatovo
Dépêche 07 avril, 11h, Hosokafa ho an’ny daholo be ny zaridainan’Anosy sy Ambohijatovo mandritra ity fotoana fankalazana ny paka ity. Fotoana iray hiarahan’ny fianakaviana rehetra miala voly moa izy ity ka rariny raha omena lanja amin’izy ireo izany fotoana izany. Azo atao araka izany ny mitsangatsangana amin’ireo toerana ireo raha mihidy hatrany ziany mandritra ny andavan’andro. Misy ny lamina izay napetraka anefa ka tsy maintsy ho arahin’ny rehetra ho fiarovana ny fananana iombonana izany. Nohamafisina kokoa tamin’izany ny fahadiovana sy ny fanajana ny filaminan’ny toerana. Fotoana iray tokony hampisehoana ny fahaiza-miainan’ny Malagasy ihany koa izany.
