Kolontsaina: Nosy Be Jazz Festival, niova ho Nosy Boraha Jazz Festival
Efa nanomboka ny alarobia lasa teo ny “Nosy Be Jazz Festival” izay tanterahina ao Sainte Marie. Niova toerana kely ny hetsika tamin’ity taona ity ka ao Sainte Marie araka izany no hanaovana azy. Mitondra ny anarana ho “Nosy Boraha Jazz Festival “ny hetsika amin’ity taona ity araka izany. Anio hatramin’ny alatsinain’ny Paka no tena hankafizana ny hetsika na dia efa ny alarobia teo aza izany no nanomboka.
“Ny jazz train moa no nanamarihana ny fanombohan’ny hetsika ny alarobia teo izay niainga tao Andasibe hiazo an’ny Toamasina. Teo ihany koa ny fakana aina kely teo Mahambo rehefa nandray ny sambo ho any Sainte Marie. Any an-toerana indray ny fotoana amin’ity andiany ity, mba miova kely amin’ny mahazatra. Efa tonga eto Madagasikara ny ankamaroan’ireo mpiangaly ny mozika jazz iraisam-pirenena hafa nasaina”, hoy I Niry Ravelojaona, mpikarakara.
Hatramin’ny alatsinain’ny Paka izao no hanatanterahana ny hetsika ka ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana. “Hisy hatrany ny hetsika mandritra ny tontolo andron’ny sabotsy, alahady ary io alatsinainy io. Tsy miala amin’ny sehatry ny “jazz” kanefa hisy ihany koa ireo mpanakanto manana ny lazany sy ny heriny ho avy ao. Tsy ambakan’izany ireo avy any ivelany izay hiaraka hifarimbona amin’ny hetsika. Samy manana ny vidim-pidirany ny andro tsirairay saingy 235 000ariary isan’olona kosa rah ate hanatrika ny fampisehoana iray manontolo”, hoy hatrany ny fanazavana.
Nifanindran-dalana tamin’ny fanakalazana dia efa nisy ihany koa ny hetsika izay natao teto Antananarivo omaly alakamisy. Hakotrokotroka ny “jazz” ao amin’ity Nosy kely Sainte Marie ity madnritra ireo fotoana ireo. Mbola tsy tara raha manana eritreritra ny hiala asasatra any an-toerana mandritra ny Paka.
Miora Raharisolo
