Israel : Orinasa voalohany mamokatra hena novolena maneran-tany
Ao Israel no misy ny Future Meat Technologies, mpamokatra hena volena voalohany. Mahavita mamokatra hena hatramin’ny 500 kilao isan’andro ity ozinina ao Rehovot ity. “Bioréacteur” no ampiasain’izy ireo amin’ny famokarana ny hena raha ny fanazavana ary mahavita mamokatra hena ondry, akoho, kisoa izy ireo, ary hisy ihany koa tsy hena omby tsy ho ela hoy ny tale Rom Kshuk.
Selana biby na “cellule” no kolokoloina mba ho velona sy hitombo ka manome hena raha ny fanazavana, toy ny amin’ny famboarana labiera sy yaourt. Ny hozatra mantsy fitambarana sela ka io sela io no alaina amin’ny biby ary « ambolena » mba hivadika hena. Tena hena no azo amin’izy ity, mitovy tanteraka amin’ny hena nalaina tamina biby, na ny tsirony na ny lokony na ny endriny.
Indroam-polo haingana kokoa noho ny fiompiana biby fakana nofo ny fambolena hena, mitsitsy rano avo roapolo heny ihany koa izy.
