Pérou : Lozam-pifamihivoizana nahafaty olona 32
Tsy latsaky ny 32 no maty nandritra ny lozam-pifamihivoizana tao Pérou ny talata teo. Fiara fitateram-bahoaka nitondra olona 67 no nilatsaka tao anaty antsana raha ny fanazavan’ireo manam-pahefana. 17 no isan’ny maty voalohany nivoaka omaly saingy vetivety ihany dia niakatra 29 izany. Vata-mangatsiaka 32 kosa nefa no nobataina tao raha ny antontanisa nambaran’ny lehiben’ny polisy César Cervantes.
Tsy fitandrema sy fandehanana mafy no nitarika ny loza hoy izy. Mbola nisy 22 naratra ihany koa tamin’ireo mpandeha ireo ary nisy zaza roa telo sy enin-taona tamin’ireo maty ireo. Lozam-pifamihivoizana fahatelo nahafaty olona betsaka indrindra tao Pérou tao anatin’ny efatr’andro farany teo ity niseho ny talata teo ity.
