Chine : Noferana adiny 3 isan-kerinandro ny fahafahan’ireo ankizy tsy ampy taona ao Chine milalao « jeux video en ligne »
Nanao fanambarana ny tao Chine ny alatsinainy teo fa voarara ny filalaovan’ireo ankizy latsaky ny 18 taona “jeux video en ligne” mihoatra ny adiny telo isan-kerinandro. Tsy mahazo milalao izany mihotra ny adiny iray isan’andro, ny andro zoma, sabotsy ary alahady ihany nefa izany. Tsy azony atao ihany koa ny milalao eo anelanelan’ny amin’ny 10 ora alina hatramin’ny 8 maraina.
Antony io fanam-pahan-kevitra io ny fiadiana amin’ny fiankinan-dohan’izy ireo amin’io tontolo io. Maro amin’izy ireo mantsy no mahavita mijanona eo alohan’izany ao anatin’ny fotoana maro raha ny fanazavana ka nampitombo isa ireo tanora manana olana ara-pahitana, ireo tsy ampy fanatajahantena, ireo ahatahorana hiankin-dona fa indrindra eo fihenan’ny taham-pahaizana.
