Mahabo : Tratra ireo voalaza fa mpangalatra mason’olona
Tratra ireo mpangalatra mason’olona izay nikohizan’ny maro sy nampitondra faisana ny olona any Mahabo. Mbola tratra teny amin’izy ireo ihany koa ny antsy maranitra fakan’izy ireo mason’olona.
« Manjaka tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana noho tsy fisian’ny asa izany no tokony tsy haindrasan’ny rehetra ny fanjakana ka hahay hamorona asa ho an’ny tenany amin’ny alalan’ny fandraharahana » hoy i Antoinette, mpandinika ny raharaham-pirenena. « Tsy ho ireto olona tratra ireto mihitsy no tena tompon-kevitra fa mbola ao ireo tsy maty manota sy dahalo ambony latabatra ka manararaotra ny fahantran’ny Malagasy mampaniraka azy ireo hamono ny mpiray tanindrazana aminy » hoy i Feno, tao anaty tambajotran-tserasera.
Etsy an-kilany anefa nilaza ny olona iray nilaza fa mpitandro filaminana isan’ny lasibatra tamin’ity fangalana mason’olona ity fa « olona hivarotra tany any Beronono ilay niala ny masony ka raha naheno ny fahatongavany ilay nampiasa ny tany dia naniraka olona nampamono ireto olona ireto fa tsy afera fakana maso akory ity » hoy izy tamin’izany.
Tsy fantatra izay tena marina mazava fa miandry ny fanadihadihana ny rehetra. Inona no zava-nisy marina ?
Nicole Rafalimananjara
