Alasora : Tonga nitsidika ny tobim-paritry ny zandary ny FIVAZA vondron-tobim-paritra Antananarivo renivohitra
Nandalo teny amin’ny brigadin’ny zandarimaria teny Alasora ny FIVAZA (FIkambanan’ny Vady Zandary) avy amin’ny vondron-tobim-paritra Antananarivo renivohitra, izay notarihin’ny vadin’ny kaomadin’ny vondron-tobim-paritra ao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra ny teny fampaherezana sy fizarana sakafo ho an’ireo zandary ao Alasora izy ireo, raha ny voalaza.
« Zava-dehibe ho an’ ireo zandary miantsehatra manao ny asa fampandrian-tany (papango) tokoa izao fanohanana avy amin’ny FIVAZA izao, izay hankasitrahana azy ireo tamin’ny fandalovana teto amin’ny tobi-paritra Alasora » hoy ny avy amin’ny brigadin’Alasora.
« Tsy mbola nisy ny hetsika tahaka izao teto Alasora, ary sambany no nisian’izany tety an-toerana. Isaorana ny FIVAZA amin’ny fanatanterahana ny hetsika ary hirariana ny hitohizan’izany hatrany, mba ho fitaratra ho an’ny hafa ihany koa » hoy i Salohy, mponina ao Alasora.
Fanohanana tamin’ny alalan’ny fankaherezana sy ny fanomezana sakafo toa ny sandwich, ny cacao, ny dite mafana moa no nataon’ireo fikambanana ireto nandritra izany. Marihina moa fa efa nitsidika ny tobi-paritra Andoharanofotsy izy ireo ary mbola hitohy amin’ireo mpisehatra amin’ny tobi-paritra hafa izany, raha ny voalaza hatrany.
Manitra R.
