Fanatanjahantena : Hiatrika ny dingana fanandramana ao amin’ny Klioba Paris FC i Nina
Dépêche 25 avril, 13h, Toarian’ny fahatongavan’ilay « recruteur » avy ao amin’ny Paris FC teto Madagasikara nandritra ny fampivondronana ny Barea farany teo dia nody ventiny ny rano natsakaina. Mbola tsy mahazo misioka anefa raha tsy tafavoaka ny ala satria dia mbola andrana ihany izany hotanterahan’i Nina ao amin’ny Paris FC izany. Raha tsiahivina dia i Bolida na i Lalaina Nomenjanahary no nitondra io « recruteur » io ary hanaramaso an’i Nina no tena antondiany tamin’izany. Amin’izao fotoana izao dia hiatrika test ao amin’ity klioba ity i Nina na i Zakanirina Rakotoasimbola. Miarahaba an’i Nina, ary mirary soa azy hatrany.
