Ilakaka: Tratra ireo tompon’antoka tamin’ny famakiana banky
28 Oktobra, 08h30. Voasambotra ireo olona 11 tompon’antoka tamin’ny famakiana Banky tao Ilakaka izay nahaverezana vola 900 tapitrisa Ariary. Talen’ny Banky sy lefiny dia isany tafiditra anatin’ny raharaha. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny 07, etsy Antanimora kosa ny 02, miandry ny fitsarana azy ireo 02 hafa.
