Fandriampahalemana : Mpangaropaosy tratra tao anaty taxi-be
Dépêche 06 décembre, 12h, Mpanagarom-paosy efa za-draharaha no tratran”’ny Polisy nanao fanamiana sivily nanao ny asa ratsiny tao anaty fiara fitateram-bahoaka. Noho ny fitaraian’ny olona maro mahaksika ireny mpanao ratsy mitsofoka anaty taxi-be ireny dia efa misy ankehitriny ny Polisy manao fanamiana sivily manaraka ireny fiara ireny. Nahitam-bokany ny hetsika ka tratra ambodiomby nangalatra vola sy firavaka volafotsy tao anaty kitapona mpandeha iray ity tovolahy vao 18 taona ity. Fanetry be ny Firenena ny olona manao itony karazana asa ratsy itony. Ary tsy eto Antananarivo irery ihany no tokony hanaovana ny hetsika fa tokony manerana ny Nosy mihitsy izay efa anjakan’izy ireo.
