ActualitésTsidika

Fifamoivoizana: Hisy ny sazy ho an’ireo izay mamo eo am-pamiliana

Efa nanomboka efa volana maromaro izay ny fitiliana ireo mpamily amin’ny tahan’ny alikaola ao anaty vatana. Faritra maro eto Andrenivohitra no nanaovana izany fitiliana izany ka ny farany teo dia teny Analakely, Ankorondrano, Ilafy ary Ambohimangakely no nanatanterahana azy. Mahafaly kosa ny valin’ny fitiliana izay natao raha ny 80% maherin’ireo mpamily 226 notiliana dia tsy nandray na nisotro zava-pisotro misy alikaola avokoa.

“Mbola betsaka mihitsy ireo mpamily tsy manaja ny lalànan’ny fifamoivoizana. 7,5%  nisotro zava-pisotro mahamamo, izany hoe latsaky ny 0,40 mg/l ny tahan’ny alikaola tao anaty vatany ary 11,5%  dia mamo teo am-pamiliana, izany hoe mira na mihoatra ny 0,40 mg/l ny tahan’ny alikaola tao anaty vatany. Mampidi-doza anefa izany fisotroana sy fimamoana am-pamiliana izany ka tokony hialana hiarovana ny aina sy ny olona hafa”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Falmantarana ny Toetr’andro.

“Sady ezaka fanentanana ity hetsika ity no ezaka fampahafantarana ny azo atao sy ny tsia eny amin’ny lalàna rehetra eny. Raha jerena manko ny lozam-pifamoivoizana dia ny ankamaroany noho ny fisotroana zava-mahadomelina ka mamo daholo no antony. Antony iray goavana miteraka loza ity tranga ity ka izay no anton’ny fanentanana sy ny fampianarana ireo mpamily ny mahakasika izany lalànan’ny fifamoivoizana na ny code de la route izany”, hoy kosa ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena.

Isaky ny 15 andro no hanatanterahan’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Polisim-pirenena ary ny Zandary no miara-misalahy manao izany eny amin’ny faritra maro isan-karazany eny. Hatreto dia mbola tsy nisy ny sazy izay nomena izay tratra ankoatra ny fanajanonana ny fitondrana na familiana fiara mandrapisava ny taokany. Aorian’ny 15 desambra kosa dia hampiharina amin’izay ny sazy ho an’ireo izay tratra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire