Etats-Unis : Zazavavy kely 7 taona nisy naka an-keriny tao an-tranony
Zazavavy kely 7 taona no tsy hita nanomboka ny 30 novambra teo tao Paradise, Texas. Tamin’io andro io dia nobedesina i Athena Strand hoy ny reniny Maitlyn Gandy, 26 taona. Nandeha nikarakara sakafo izy taorain’izany hoy izy ary rehefa nandeha nijery ny zanany tao an’efitranony dia efa tsy tao intsony izy.
Nitady an’i Athena Strand fatratra ny reniny ka rehefa tsy nahita azy dia niantso ny manam-pahefana. Tsy nampiakarina avy hatrany nefa ny raharaha noho io zavavy kely io efa nitsoaka iray andro talohan’io tranga io.
Ny ampitso vao nandeha ny fanairana tamin’ny tsy fahitana an’i Athena Strand. Hita faty tao anaty kirihitr’ala tao Boyd tany amin’ny 15 kilometra ny trano fonenany izy. Tsy nanome ny antony nahafatnanome ny antony nahafaty azy ireo manam-pahefana saingy fantatra fa natao tamin’ny fomba feno habibiana izany.
Fantatra lehilahy mpanatitra entina (livreur), Tanner Lynn Horner, 31 taona, niasa tao amin’ny FedEX no naka an-keriny azy rehefa nanatitra entana tao an-tranony. Efa eo voasambotra moa io lehilahy io.
