ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Efa natomboka ny fanaovam-baksiny

Herinandro izay no nanombohan’ny fanaovam-baksiny teto Analamanga, efa azo lazaina ho betsaka ireo Kaominina efa niditra tanterak aho amin’izany na ny tsindrona faharoa amin’ny AstraZeneca io na amin’ny Janssen. Tsy latsa-danja amin’izany ny tany amin’ny Distrika Talata Volonondry  ka eny amin’ny CSBII no hanaovana izany.

« Ny olona mbola tsy nanao vaksiny Covishield/ AstraZeneca no afaka manao ny vaksiny Johnson&Johnson toy ny zokiolona mihoatra ny 55 taona, ireo olona izay manana aretina mitaiza, ireo mpiasan’ny fahasalamana, ireo mpitandro ny filaminana, ireo mpisehatra ara-tsôsialy izay mifandray mivantana amin’ny vahoaka izya aloha no afaka misitraka ny vaksiny amin’izao » hoy ny mpitsabo ao amin’ny CSBII Talata Volonondry.

« Ho anay aty ambanivohitra aloha dia tsy liana loatra amin’ny vaksiny izany satria ny rivotra efa madio ka manampy betsaka amin’ny fahasalamana ary izahay aza tsy mba nararirary izany na nisy aza ny aretina namay be tao andrenivohitra tao » hoy i Jean De Dieu, mponina any Ambolo Talata Volonondry. “Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fanaovam-baksiny na tsindrona faharoa amin’ny Covishield izany na ny tsindrona tokana amin’ny Johnson & Johnson ary manentana antsika hanaraka hatrany ny fandaminana mandritra ny fanaovana izany” hoy ny Dokotera Rakotonavalona Rivomalala, Tale misahana ny Fitantanana ny Fanaovam-baksiny (DEPEV).

Maro ireo resy lahatra ny hanao vaksiny saingy marihina fa tsy hifanerena akory ny fanaovana izany satria samy tompon’andraikitra amin’ny fahasalamany ny rehetra. Hanao ahoana ny fahavitrihan’ny olona ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire