ActualitésTsidika

Ny chute Andriamamovoka

Toerana fitsangatsanana mahafinaritra sy fanaovana rodorodon ny Andriamamovoka. Ety ambanivohitr’Asabotsy Anjiro, distrikan’i Moramanga, no ahitana azy. Amoron,’ny lalam-pirenana RN2, 77 kilometatra miala an’Atanannarivo (lalana adiny telo eo ho eo) ary 35 kilometatra kosa ra avy any Moramanga.

Toerana manan-tantara ary fitsangatsanganana na fanaovana rodorodo satria 8 kilometatra miala eo Anjiro no misy azy, izay atao dia antongotra. Toerana mahafinaritra izay ahitana karazana zava-maniry maro. Ahitana dobo filomanosana natoraly koa eo. Hita eny amin-ny lalana mankany kosa indray ny « la boucle », izay lalana masinina mihodinkodina. Toerana afaka ialana voly tsara.

Ny nahatonga ny anarany ho « Andriamamovoka » ny fisian’ny rina izay tena mamovoka, ary mbola ety lavidavitra dia efa lena sahady. Misy mangata-pitahiana iany koa ety Andriamamovoka.

Laisser un commentaire