ActualitésTsidika

Tantara : Ny zanak’Andriambavy ihany no azo atao andriana

Tamin’ny foko merina dia ny andriambavy no loharanon-kasina sady loharanony fiandrianana. Izany hoe rehefa andriana ny satan’ilay reny dia andriana na azo atao andriana ny zanany naterany na dia tsy andriana ny lehilahy niterahany izany. Mifanohitra amin’izany kosa, ny Andriandahy miteraka amin’ny vehivavy tsy andriana dia tsy azo atao ho isan’ny andriana ireo zanany.

« Ny reny niteraka ny andriana merina iray dia tsy maintsy taranak’ireo andriambavy Rafohy na Ramaintsoakanjo izay « kibo ipoiran’ny andriana » loharanon’ny hasin’ny andriana. Ary ny andriambavy merina dia tsy mahazo manambady tsy andriana faha-malagasy fa mandrorona ny tenany izany » hoy Rangoria, mpahay tantara. Isan’ny mistery sy tsy voazavan’ny tantara kosa anefa hatreto ny « exception » naha-andriana ny zanaky ny mpanjakalahy merina iray tamin’ny Zazavavindrano. Ny Zazavavindrano mantsy dia tsy misy tetiharana milaza ny maha-taranak »i nenibe Rafohy na nenibe Ramaintsoakanjo azy. Izany hoe tsy nandova ny hasin’i Rafohy sy Ramaintsoakanjo no tsy mitondra sata « andriana ». Raha tsy hoe nomena sata « andriana » ilay Zazavavindrano.

Mbola eo am-pikarohana ny tantara miafina ireo manam-pahaizana hatramin’izao.

Diamondra Randriantsiferana

Laisser un commentaire