Ambohimanambola : Nisy ny hetsika fampialana voly ny ankizy
Tsy diso anjara tamin’iny andro tsy fiasana ny 1 sy 2 may iny ny ankizy tao Ambohimanambola. Nisy ny kermesy nampifaliana azy ireo toy ny « manège » sy ny soavaly hazo.
« Atokana ho an’ny vady aman-janaka ny fotoana tsy fiasana tahaka izao. Soa fa nisy ny hetsika teto Ambohimanambola nanomezana fahafaham-pon’ny ankizy teto Ambohimanambola » hoy i Rija, raim-pianakaviana monina ao Ambohimanambola. « Efa nisy ny hetsika ny alatsinain’ny Paska lasa teo. Mbola nasiana ihany tamin’ny fetin’ny asa sy ny fetin’ny silamo. Faly ny ankizy miala voly, misy hiatrehana ny fianarana indray » hoy i Alain Guillaum Randrianaharimanana, isan’ireo mpikarakara ny hetsika.
Fotoana hiarahana amin’ny ankohonana tokoa ny andro tsy fiasana. Fotoana hanamafisana ny fifankatiavana sy ny firaisan-kinan’ny mpianakavy.
Herimalala Ratsimbazafy
