PolitiqueTsidika

Fitsarana avo momban’ny lalam-panorenena : Iza avy ireo mety ho filoha sy mpikambana vaovao ?

Tapitra tamin’ny 12 martsa lasa teo ny fe-potoana niasan’ny filoha sy ny mpikambana maromaro teo anivon’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana. Taorian’izay anefa, tsy nitsahatra niely ny feo ny amin’ny fanendrena izay hisolo toerana azy ireo. Maharesy lahatra ny maro aloha ny hoe tsy maintsy olona akaiky sy natokisan’ny fitondrana no mipetraka eo. Anisan’ny voatonona matetika amin’ny tsaho miely etsy sy eroa ny filohan’ny antenimeram-pirenena, Razanamahasoa Christine. Ny tena marina anefa tsy mbola nanendry izay ho mpikambana vaovao ny filoham-pirenena. Marihina mantsy fa andraikitra goavana mandritran’ny fito taona manaraka ny hotazomin’izay ho avy eo. Antony mety tsy hivoahan’ny fanendrena amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny fanaovan’ny filoha famakafakana tsara. Etsy ankilan’izay, naneho ny heviny ny solotenan’ny olom-boafidy ao Fianarantsoa. Anton’izany ny fanahiana mafy ny mety ho hanendrena ny filohan’ny antenimeram-pirenena. Tamin’ny fanambarana nataony no nilazany fa mendrika an-dramatoa Razanamahasoa Christine ny toerana misy azy ankehitriny. Hita tokoa mantsy fa nolanian’ireo solombavambahoaka 100% teny amin’ny antenimeram-pirenena izy. Nandany azy avokoa na ny mpanohitra na ny tsy miankina. Mampametra-panontaniana ny maro araka izany ny anton’ny feo miely ankehitriny. Raha ny hita mantsy, avy amin’ny maro anisa avokoa ny ankabeazan’ny solombavambahoaka ankehitriny. Misy manana faniriana ny haka ny toeran’ny filohan’ny antenimeram-pirenena ary ve amin’izy ireo.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire