Tsy fandriam-pahalemana : Miseho amin’ny endrika maro.
Tsy ny asa fangalarana ireny ihany no antsoina hoe tsy fandriam-pahalemana. Betsaka ireo tranga miseho eto Madagasikara izay mampikorotana fiaraha-monina izany. Lavitr’ezaka ny ady amin’izany fomba tsy mendrika efa lalim-paka eto amin’ny fiaraha-monina Malagasy izany. Tsy maintsy atrehana anefa izany mba hivoaran’ny toe-tsain’ny rehetra. Na mbola marefo aza anefa ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara, manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fiarovana ny fananany ny mpitandro ny filaminana, eo ihany koa ny vahoaka Malagasy, izay efa betsaka no maty sy naratra nandritra izany. Fa anisan’ny endrika isehoan’ny tsy fandriam-pahalemana ihany koa eny anivon’ireny toerana fisotroana ireny. Tsikaritra mantsy fa betsaka ny fanakorotanana ny fiaraha-monina eny an-toerana eny. Toy ity tranga teny Anjorobe ny tamin’ny herinandro lasa teo. Nisy ny fifamaliana teo amin’ny samy mpisotro teo amin’ny fokotany iray antsoina hoe andranomalama. Niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny mpitandro ny filaminana iray kanefa izy indray no notambaran’ireto mpisotro tao amin’ilay toerana. Tampoka teo anefa, nandray ny basiny ilay miaramila ka avy nifatratra tsy nahy tany amin’ny olon a tsy manan-tsiny ny bala.Izany no midika fa miseho amin’ny endrika maro ny tsy fandriam-pahalemana eny tontolo rehetra eny. Vokatr’izany, betsaka ireo maty sy tsy manantsiny iharan’ny fahavoazana tanteraka. Efa misy ireo fepetra maro ahafahana maningotra an’izany hatramin’ny fotony,saingy mila hamafisina tanteraka izany amin’ny alalan’ny fanofanana tanteraka ireo andrimasim-pokonolona.
Fanilo Rarivoarilala
