Nametra-pialana ny Talen’ny kaompania Tsaradia
Orinasa fanampin’ny Air Madagascar izay nisokatra ny taona 2018 ny Tsaradia raha tsiahivina, ary misahana ny sidina anatiny mampitohy ireo Faritra maro eto Madagasikara. Anisan’ireo sehatra nibaby ny vokatr’ity valan’aretina ity raha ny sehatry ny fitanterana anabakabaka.
Ny voalohan’ny herin’andro lasa teo no naharenesana fanambarana fa nametra-pialana ny Rafanomezantsoa Andriamamonjy, Talen’ny Orinasa Tsaradia izay hany kaompaniam-pitaterana anabakabaka an’ny fanjakana Malagasy. Tsy nilaza mazava ny anton’ity fametraham-pialana ity moa ny tenany.
Tsy niandry ela ny teo anivon’ity kaompania ity fa nanendry avy hatrany ny ho Tale mpisolo toerana mba hisian’ny fitohizan’ny fampandehanan-draharaha, izay tsy iza fa i Mahery Andriamamonjy. Efa nisahana andraikitra ambony tao amin’ity kaompania ity izy talohan’ny naha voatendry azy ho Tale mpisolo toerana izao.
Anisan’ireo fototra himasoany mandritra ny fotoana hitatanany ny Tsaradia izao ny « fanohanana ny drafitra fanarenana ny Air Madagascar » raha ny voalazany nandritry ny fivorian’ny « Conseil d’Adminstration » teo. Tafiditra tao anaty ny teboka lehibe nodinihina ihany koa ny fikarakarana ny sidina fampodiana ireo tera-tany Malagasy izay ihantsorohan’ny Air Madagascar.
Tsapa fa tena nizaka ny mafy tokoa rah any kaompania air madagasikara na mbola tsy nisy akory aza ny valan’aretina covid19, zary natao tantely afa-drakotra.
Fanja Rakotoarisoa
