Nahazo tranomboky nomerika ny ankizy ao Androy
Tafatsangana tanteraka ary efa azo ampiasaina tsara ny Tranomboky Vahombey ao Androy.
Raha atao ny tamberina, tamin’ny taona 2018 no nahazo loka tamin’ny lalao « Go make a difference » tany Chine ity tetikasa Vahombey an’I Jullian Androkae, roa amby roapolo taona, zanaky Toliara ity. Hanangana tranomboky nomerika ho an’ny ankizy ao amin’ny kaominina Bekitro ao Androy izay tananan’ny rainy no tanjony tao anatin’izany. Tanteraka soa aman-tsara moa izany vinany izany ka izao notokanana izao ary nomena ny anarana hoe: Tranomboky Vahombey. Mpilatsaka an-tsitrapo avy eto Antananarivo, Toamasina ary Toliara no naira-niasa nahatanteraka azy ity. Toy ny fanamboarana ny trano, ny fitaterana ny boky sy ny fitaovana ilaina rehetra amin’izany.
Raha ny fanambarana nataon’ireo mpanatanteraka ity tetikasa ity : « Mbola manohy ny fianarany any Etazonia i Jullian, tompon’ny tetikasa fa kosa faniriany ny mba hampazoto ny ankizy hamaky boky sy hazoto hianatra ka izao nametrahany io tranomboky io izao na dia mandalo fotoan-tsarotra aza izy ».
« Tsara ary tena manampy be dia be amin’ny fivoaran’ny zanako ity tranomboky ity » hoy i Tseza, raim-pianakaviana iray any an-toerana. « Deraina manokana ny Vahombey amin’izao tetikasa apetrak’izy ireo aty amin’ny faritra misy anay aty. Tsy diso anjara ny ankizy amin’ny fanovozana fahalalana ary azo eritreretina tsara ny hampiakatra ny tahan’ny fahaizan’ny ankizy indrindra rehefa amin’ny fiatrehana ny fanadinana » hoy kosa ny tompon’andraikitra iray tao amin’ny Kaominina Bekitro.
Nanambara ireo tomponandraikitra tamin’ity tetikasa ity fa vao manomboka ny tetikasa ary mbola ho maro no ao afara. Ilaina tokoa ary tena fanampiana sy fanatsarana ny hoavin’ny ankizy sy tanora ny fananganana tranomboky toy izao. Na efa nihena aza ny taha-pavitrihan’ireo tanora ankehitriny amin’ny famakiana boky nohon’ny fivoaran’ny teknolojia, tsara foana ny fisian’ny fanentanana sy fampianarana ny ankizy hamaky boky. Efa misy ihany moa ny « Ndao hamaky boky » izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera fa kosa firy no mahafantatra ny fisian’izany ?
Tsangy Randriamampianina
