Ankadikely Ilafy : Voafantina ireo mpilalao ao amin’ny ekipan’ny kaominina
Nisy ny fifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipa kaominaly ao Ankadikely Ilafy. Izy ireo no hisolo tena ny kaominina amin’ny « Tournoi Intercommunale » eto amin’ny Distrikan’Antananarivo Avaradrano.
« 25 lahy izy ireo no handrafitra ny ekipan’ny kaominina. 60 mahery izy ireo no nihatrika ny fitsapana isankarazany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Ny Sabotsy 06 Aogositra 2022 ho avy izao, amin’ny 10 ora maraina ny famondronana voalohany azy ireo eto amin’ny Kianjan’ny Fifankatiavana Ankadikely. Aantenaina fa hitondra avo ny anaran’ny kaominina hatrany izy ireo » hoy ny tompon’andraikitry ny fanatanjahan-tena ao amin’ny kaominina.
Miroborobo hatrany ny tontolon’ny baolina kitra eto Avaradrano. Ho avy tsy ho ela ny fifaninana eo amin’ny samy kaominina.
Nicole Rafalimananjara
