ActualitésTsidika

Maroantsetra : Hiditra amin’ny hetsika « Zéro fako urbaine » manaraka

Hetsika tontosain’ny fikambanan’ny mpiasan’ny onjam-peo ao Maroantsetra isam-bolana ny « Zéro fako urbaine ». Entina hanadiovana sy hanala ny fako andalam-be izany. Natombok’izy ireo ny volana jona teo ny hetsika ary efa manomana ny andiany fahatelo ho tanterahina amin’ny volana aogositra izy ireo.

Nandritra ny andiany faharoa tamin’ity volana jolay ity dia ny sampana morondrano avy eo amin’ny la Rive droite ka hatrany Antsiranam-pontsy no nisafidian’ireo mpisan’ny onjam-peo ireo nodiovina. Entina hitaizana ny olona tsy hanary fako eny andalam-be ihany koa izany hetsika izany hoy ny solonten’izy ireo.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire